Adresa
:
[go:
nahoru
,
domu
]
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Apparence
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Fanovana
Famoronana (finoana sy fedrà)
(fizarana)
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Amin'ny tetikasa hafa
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
== Ny famoronana araka ny karazam-pivavahana == === Ny famoronana araka ny fivavahana abrahamika === ==== Ny famoronana araka ny jodaisma sy ny kristianisma ==== Araka ny [[Baiboly]], ny famoronana dia ilay asan' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]] tamin' ny alalan' ny teniny nampisy izao rehetra izao tany am-boalohany. Tantara miendrika angano ([[fedrà]]) ao amin' ny bokim-pivavahan' ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]] izany, dia ny [[Bokin' ny Genesisy|''Bokin' ny Genesisy'']] (na ''Jenezy''). Ny ''Bokin' ny Genesisy'' dia maneho fa Andriamanitra no namorona izao tontolo izao avy tamin' ny tsy misy, ka nametraka ny olona ho tampon' ny asa famoronana nataony. Ao amin' ny ''[[Bokin' ny Salamo]]'' dia voalaza fa nandahatra sy nandamina an' izao tontolo izao Andriamanitra ka nampisy fifandraisana mivantana eo amin' ny zavaboary rehetra. Indroa miantoana ny tantaran' ny Famoronana ao amin' ny toko voalohan' ny ''Bokin' ny Genesisy''. Amin' ny fitantarana voalohany dia i [[Elohim]], anarana iombonana amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] lasa anaran-tsamirery iantsoana an' Andriamanitra, dia namorona ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy tao anatin' ny enina andro, avy eo niala sasatra, ary nitahy sy nanamasina ny [[Sabata (jiosy)|andro fahafito]]. Ao amin' ny fitantarana faharoa, Andriamanitra, izay antsoina amin' ny anarana hoe [[Iahveh]], dia namorona an' i [[Adama]], ilay lehilahy voalohany, avy amin' ny vovo-tany sady nametraka azy tao amin' ny [[Edena|Saha Edena]], izay nanaovany azy ho manam-pahefana amin' ny biby rehetra. Noforonina avy amin' i [[Adama (Baiboly)|Adama]] i [[Eva]], ilay vehivavy voalohany sady "mpanampy" ho an' i Adama. ==== Ny famoronana araka ny finoana silamo ==== ==== Ny famoronana araka ny finoana bahay ==== ==== Ny famoronana araka ny fivavahana môrmôna ==== === Ny famoronana araka ny fivavahana hafa === ==== Ny famoronana araka ny hindoisma ==== ==== Ny famoronana araka ny sikisma ==== ==== Ny famoronana araka ny bodisma ==== ==== Ny famoronana araka ny jainisma ==== ==== Ny famoronana araka ny taôisma ==== ==== Ny famoronana araka ny zôrôastrisma ==== ''Nadika avy amin' ny lahatsorara amin' ny [[Fiteny rosiana|teny rosiana]] ity lahatsoratra ity.'' Araka ny fiheveran' ny [[zôrôastrisma]] dia efa nisy hatry ny 12 000 taona izao tontolo izao. Mitsinjara ho vanim-potoana efatra samy maharitra 3 000 taona avy ny tantaran' izao tontolo izao manontolo. * Ny vanim-potoana voalohany dia fotoana nampisy mialoha ny zavatra sy ny hevitra. Tamin' izany dingana namoronana ny [[Lanitra (finoana)|lanitra]] izany dia efa nisy ny môdelin' ny zavatra rehetra izay hoforonina ety an-tany aty aoriana. Izany toetran' ny tontolo izany dia atao hoe ''Menok'' ("tsy hita" na "ara-panahy"). * Ny vanim-potoana faharoa dia heverina ho toy famoronana ity tontolo azo tsapain-tanana ity, hita maso, onenan' ny "zavaboary". Namorona ny lanitra, ny kintana, ny volana, ny masoandro, ny olombelona voalohany ary ny zava-mananaina hafa voalohany i [[Ahura Mazda]]. Ao ambadiky ny bola-masoandro no misy ny fonenan' i Ahura Mazda. Mandritra izany anefa dia nanomboka nihetsika i [[Ahriman]]. Nidirany ny efitry ny lanitra, namorona ny [[planeta]] sy ny [[kinta-manan-drambo]] izay tsy manaraka ny hetsika ranorain' ny bolan-danitra. Nolotoin' i Ahriman ny rano, nalefany tamin' i Kayumars, olombelona voalohany, ny [[fahafatesana]]. Niteraka lehilahy iray sy vehivavy iray ilay olombelona voalohany, ka avy tamin' ireo no nivoahan' ny taranak' olombelona ary avy amin' ny zavamananaina voalohany ny biby rehetra. Ny fifandonan' ireo foto-javatra roa ireo (i Ahura Mazda sy i Ahriman) no nanombohan' izao rehetra izao nihetsika: lasa nitsiranoka ny rano rehetra, nitranga ny tendrombohitra, nihetsika ny zavatra eny amin' ny lanitra. Mba hanafoanana ireo asan' ny planeta mpanimba ireo dia nafatotr' i Ahura Mazda amin' ny planeta tsirairay ny fanahiny. * Ny vanim-potoana fahatelo dia mahafaoka ny fotoana mialoha ny fisehoan' ny mpaminany [[Zaratostra]] (na [[Zôrôastra]]). Mandritra izany vanim-potoana izany no nihetsehan' ny olo-maherin' ny fedrà tantaraina ao amn' ny ''[[Avesta]]'', dia ny mpanjakan' ny andro volamena: Yima ilay Mamiratra, izay nanapaka fanjakana tsy misy hafanana na hatsiaka na fahanterana na fitsiriritana, noforonina ny [[Andriamanitra (ankapobeny)|andriamanitra]] (''deva'') maro. Ity mpanjaka ity no nanavotra ny olona sy ny biby amin' ny [[safodrano]] tamin' ny alalan' ny fanamboarany fialofana manokana. Anisan' ny olo-marina tamin' izany vanim-potoana izany ny mpitarika ny faritr' i Vishtaspa, dia ny olo-masina mpiahy an' i Zaratostra. * Mandritra ny vanim-potoana fahefatra farany (taorian' i Zaratostra) isaky [[Milenarisma|arivo taona]], dia misy Mpamonjy izay tsy maintsy miseho amin' ny olombelona, izay miseho toy ny zanak' i Zaratostra. Ny farany amin' izy ireo, ny Mpamonjy Saoshyant, no hanapa-kevitra ny amin' ny hoavin' izao tontolo izao sy ny olombelona rehetra; [[Fitsanganan-ko velona|hanangana ny maty]] izy, handrava ny [[ratsy]] ary handresy an' i Ahriman, aorian' izany dia hodiovina amin' ny alalan' ny ria-metaly mitsonika izao tontolo izao, ary izay sisa amin' izany rehetra izany dia hahazo ny [[fiainana mandrakizay]]. ==== Ny famoronana araka ny siantôlojia ====
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)