[go: nahoru, domu]

Ny aratra dia vokatry ny fisiana sy fihetsehan' ny elekitrôna amin' ny toerana na zavatra iray. Ny aratra no mahatonga ny varatra, ny kianjanaratra, sy ny herinaratra fampiasa andavanandro amin' ny fitaovana toy ny jiro, radiô, milina fikajiana, sns.

Ny varatra dia iray amin' ny trangan-javatra araka aratra manaitra indrindra.

Ny aratra dia nanomboka fantatra tamin' ny taonjato faha-17, nahafahana nanomboka ny revôlisiôna ara-taozava-baventy faharoa tamin' ny taonjato faha-19 ny fifehezana ny aratra. Ankehitriny dia hita na aiza na aiza ny aratra any amin' ny firenena mandroso: avy amin' ny loharanon' angôvo (rano sy hafanana, ary voan' atôma), angôvo ampiasaina amin' ny raharaha ao an-trano sy ny asa eny amin' ny taozava-baventy ny aratra amin' izao tontolo izao.

Ny tondron' ny aratra

hanova

Ny aratra dia avy amin' ny fihetsehan' ny voanaratra ao amin' ny raha niavian' ny aratra. Tahaka ny lanja, ny voanaratra dia toetran-draha, ahafahana manazava ny fiavian' ny zava-miseho sasantsasany. Izany hoe tsy àry nahita voanaratra izany mihitsy ny olona, fa ny siantifika dia nahita fitoviana tamin' ny fihetsiky ny poti-javatra. Nilaza izy ireo fa manan-tondro iraisana ny poti-javatra.

Misy karazana voanaratra roa: voanaratra miabo sy miiba. Araka ny anarany, ireo voanaratra roa ireo dia mifanohitra.

   
Mifanintona ny voanaratra roa samihafa Mifanosika ny voanaratra mitovy karazana

Ny voanaratra roa samihafa eva dia mifanafoana. Izany dia midika fa mitovy isa ny voanaratra miabo sy miiba, ary ny fihetsika rehefa izany dia ohatra ny hoe tsy misy voanaratra. Lazaina fa tsy mirona izy.

Ny tselatra sy ny varatra

hanova
 
Tselatra sy varatra vokatry ny herinaratra amin' ny rivotra ka mipoaka

Ny tselatra dia ilay feo vokatry ny fipoakan' ny rivotra mifandona ka miteraka varatra ka mahatonga ny rivotra hitondra elektrôna (plasma no iantsoina ilay rivotra na etona misy elektrôna). Mitovy ny fotoana ipoahan' ny varatra sy ny fisehoan' ny tselatra saingy noho ny tsy fitovian' ny hafainganam-pandehan' ny feo sy ny hazavana dia ny tselatra aloha no hita voalohany avy eo ny varatra no heno. Raha tena akaikin' ny tselatra no misy ny olona mijery dia miara-mipoitra ny tselatra sy ny varatra.