Isaia (mpaminany)
Isaia | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Isaia | ||
Teraka | 766 tal. J.K. | ||
Maty | 701 tal. J.K. | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | mpaminany | ||
Fiainana manokana | |||
I Isaia na Izaia dia mpaminany israelita niaina tokony ho tamin’ ny taonjato faha-8 tal. J.K. teo anelanelan' ny taona 766 sy 701 tal.J.K. Zanak' i Amôsa, izay fianakaviana ambony tao Jerosalema, izy. Mponin' i Jerosalema i Isaia. Niasa tamin' ny antsasany faharoan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. izy, tamin' ny fotoana nanombohan' ny Asiriana nanafika matetika miankandrefana, fanafihana izay namaritra ny hoavin' ny fanjakan' i Israely sy ny an' i Jodà. Teo anelanelan' ny taona 740 sy 700 tal. J.K. izany, indrindra fa tamin’ ny nanjakan' i Ahaza (mpanjakan’ i Jodà) tokony ho tamin’ ny taona 735 tal. J.K. sy ny zanany nandimby azy ary tamin' ny andron’ ny mpanjaka Hezekia (na Ezekiasa) tokony ho teo anelanelan' ny taona 715 sy 710.
Ny anarany
hanovaAtao hoe יְשַׁעְיָהוּ / Yeshayahu i Isaia amin' ny teny hebreo ka midika hoe "Mamonjy i Yahu" izany hoe "Mamomjy i Iahveh".
Nanoratra bokim-paminaniana
hanovaAraka ny lovantsofina dia i Isaia no nanoratra ny Bokin' i Isaia (izay miresaka ny amin' ny fitondrana ho babo ny Jiosy any Babilôna sy ny fiverenan' izy ireo any Jerosalema indray ary ny fanamboarana indray ny Tempolin' i Jerosalema araka ny baikon' ny mpanjaka akemenida atao hoe Kirosy II), nefa rehefa nodinihin' ny mpikaroka momba ny Baiboly dia ny ampahany atao hoe Prôtô-Isaia ("Isaia voalohany") ihany no mety nosoratany, dia ny toko voalohany hatramin' ny faha-39. Ny ampahan' io boky io sisa dia mbola mizara roa ka atao hoe Deoterô-Isaia sy Tritô-Isaia ("Isaia faharoa" sy "Isaia fahatelo").
Jereo koa
hanova- Mpaminany madinika: Hôsea na Ôsea - Jôela na Jôely - Amôsa na Amôsy - Ôbadia na Abdiasa - Jônà na Jônasa - Mika na Mikea - Nahoma - Habakoka - Zefania na Sôfônia - Hagay na Akjea - Zakaria - Malakia.
Rohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]