Adresa
:
[go:
nahoru
,
domu
]
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Apparence
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Manova an'i
Fanjakan' Andriamanitra
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Amin'ny tetikasa hafa
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
Ny '''Fanjakan' Andriamanitra''' na '''Fanjakan' ny Lanitra''' dia hita ao amin' ny [[fivavahana abrahamika]], indrindra ny [[jodaisma]] sy ny [[kristianisma]], izay mahakasika ny [[andro farany]]. Ao amin' ny fivavahana kristiana, araka ny hita ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], dia ivon' ny toritenin' i [[Jesoa]] ny amin' ny Fanjakan' Andriamanitra sy ny fanambaràna ny hiaviany. == Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma == === Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny Testamenta Taloha === Ny andian-teny izay adika hoe "Fanjakan' ny Tompo" na "Fanjakan' i Iahveh" na "Fanjakan' i Jehovah" dia miseho indroa ao amin' ny [[Baiboly hebreo]], dia ao amin' ny ''[[Boky voalohan' ny Tantara]]'' (1Tant. 28.5)<ref><small>"''Ary tamin'ny zanako rehetra (fa zanaka maro no nomen'i Jehovah ahy) dia Solomona zanako no nofidiny hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'i Jehovah hanjaka amin'ny Isiraely''." (1Tant. 28.5, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ao amin' ny ''[[Boky faharoan' ny Tantara]]'' <blockquote>"Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan' i Jehovah, izay eo an-tànan' ny taranak' i [[Davida (mpanjaka)|Davida]]; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon' i [[Jerôbôama I|Jerôbôama]] ho andriamanitrareo." 2Tant. 13.8)<ref><small>"''Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo''." (2Tant. 13.8, ''Ny Baiboly'')</small></ref>. </blockquote>Fanampin' izany, indraindray dia ampiasaina ny hoe "ity fanjakana ity" na "ny fanjakanao" rehefa miresaka an' Andriamanitra<ref><small>France, R. T. (2005). [https://books.google.com/books?id=I8UWJohMGUIC&pg=PA420 "Kingdom of God"]. In Vanhoozer, Kevin J.; Bartholomew, Craig G.; Treier, Daniel J.; Wright, Nicholas Thomas (eds.). ''Dictionary for Theological Interpretation of the Bible''. Grand Rapids: Baker Book House. pp. 420–422. <nowiki>ISBN 978-0-8010-2694-2</nowiki>.</small></ref>. Ohatra, ao amin' ny ''Tantara voalohany'' ihany (1Tant. 29.10-12)<ref><small>"10 ''Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra''. 11 ''Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin'i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.'' 12 ''Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak'i Amasay, sy Joela, zanak'i Azaria, tamin'ny taranaky ny Kehatita; ary tamin'ny taranak'i Merary dia Kisy, zanak'i Abdia, sy Azaria, zanak'i Jehalalila; ary tamin'ny Gersonita dia Joa, zanak'i Zima, sy Edena, zanak'i Joa''" (1Tant. 29.10-12, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ao amin' ny [[Bokin' i Daniela|''Bokin' i Daniela'']] (Dan. 3.33)<ref><small>"''Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby''." (Dan. 3.33, Ny Baiboly)</small></ref><ref><small>James Mays'', Psalms: Interpretation,'' 2011, <nowiki>ISBN 0664234399</nowiki>, pp. 438–439</small></ref>. Voalohany indrindra manondro voalohany indrindra ny fanapahana ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe ''malkuth'' [...], ary faharoa manondro ny faritra tapahina [...]. Rehefa ampiasaina hanondroana an' Andriamaitra ny teny hoe ''malkuth'' dia matetika ilazana ny fahefany na ny fanapahany amin' ny maha mpanjaka any an-danitra an' Andriamanitra<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 46–47.</small></ref>. Manome lahatsoratra ahitana izany fomba fijery izany ny [[Bokin' ny Salamo|Salamo]]<nowiki/>m-panosorana mpanjaka (Salamo 45, 93, 96, ary 97-99), izay miaraka amin' ny teny mafy hoe "Ny Tompo no Mpanjaka" (na "Iahveh no mpanjaka" na "Jehovah no mpanjaka")<ref><small>Leland Ryken, James C. Wilhoit and Tremper Longman III'', Dictionary of Biblical Imagery,'' Nov 11 1998, <nowiki>ISBN 0830814515</nowiki>, pp. 478–479.</small></ref>. Samy miresaka ny amin' ny seza fiandrianan' Andriamanitra ny ''[[Boky voalohan' ny Mpanjaka]]'' ("''Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin' i Jehovah: Nahita an' i Jehovah nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin' ny ankavanany sy teo amin' ny ankaviany.''" (1Mpaj. 22.19)<ref><small>"''Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin'i Jehovah: Nahita an'i Jehovah nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo andaniny avy, dia teo amin'ny ankavanany sy teo amin'ny ankaviany.''" (1Mpaj. 22.19, ''Ny Baiboly'')</small></ref> sy ny [[Bokin' i Isaia|''Bokin' i Isaia'']] (Isa. 6) ary ny ''[[Bokin' i Daniela]]'' (Dan. 7.9)<ref><small>"''Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon'ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra''." (Dan. 7.9, ''Ny Baiboly'')</small></ref>, na dia misy [[Filôzôfia|filôzôfa]] jiosy sasany toa an' i Saadia Gaon sy [[Mosesy Maimônida|Maimônida]] izay milaza fa mananana hevitra am-panoharana ny teny hoe "seza fiandrianana"<ref><small>[[:en:Kingship_and_kingdom_of_God#CITEREFBowker2005|Bowker 2005]], pp. ''Throne of God''</small></ref>. === Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma taloha === Ao amin' ny [[jodaisma]] taloha, ny famolavolana ny lohahevitry ny Fanjakan' Andriamanitra dia efa hita ao amin' ny ''[[Bokin' ny Salamo]]'' izay isehoan' ny hevitra momba ny fanjakana maharitra sy mandrakizain' ny Andriamanitr' i Israely. Mifandray amin' ny [[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] izay "Lapan' Andriamanitra" sy endrika ety an-tanin' ny [[fitoerana masina]] any an-danitra izany fanjakan' Andriamanitra izany, sady toerana onenan' Andriamanitra Mpanjaka sy misy ny fanompoam-pivavahana atao ety an-tany. Tamin' ny [[fahababoana tany Babilôna]] dia nitombo izany fiheverana voalohany izany tamin' ny soratry ny mpaminany [[Isaia (mpaminany)|Isaia]], ka niseho koa ny firesahana ny hakàn' Andriamanitra ny fahefana<ref name=":0"><small>Daniel Marguerat, ''L'aube du christianisme'', éd. Labor et Fides/Bayard, 2008, p. 48.</small></ref> ary ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia lasa nanana heviny izay midika fiaviana antomotry ny maha masi-mandidy sy manerana izao rehetra izao an' Andriamanitra eo amin' i Israely sy ny firenena rehetra<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 62.</small></ref>. Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia sady manondro ny maha mpanjaka an' Andriamanitra ety an-tany sy any an-danitra<ref name=":0" />. Indraindray ny Fanjakan' Andriamanitra dia heverina ho zavatra [[ato amin' izao tontolo izao]], fa indraindray koa dia heverina ho zavatra [[Fihoa-draha|mihoa-draha]] (ambony dia ambony ka tsy takatr' eritreritra), sady miovaova ny fiheverana izany ka mety hidika fiovana ara-panahy na ara-pôlitika. Amin' ny fiheverana fa ny Fanjakan' Andriamanitra dia hiseho eto amin' izao tontolo izao, ny maha mpanjaka an' Andriamanitra dia matetika aseho ho mihatra mivantana, ka zavatra mbola ''haorina'' izany, na tsy mivantana ka zavatra ''haverina amin' ny laoniny'' indray izany<ref><small>Christian Grappe, ''Le Royaume de Dieu : avant, avec et après Jésus'', éd. Labor et Fides/Le Monde de la Bible, 2001, p. 50.</small></ref>. Amin' ity fiheverana faharoa ity, izay somary voalanjalanja kokoa raha mitaha amin' ny voalohany, dia filazana hevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka izany ka midika fanantenana ny fahatongavan' ny mpanjaka, "[[Zanak' Andriamanitra]]". === Ny fanjakan' Andriamanitra araka ireo soratra apôkrifa jiosy === Ny andian-teny hoe "ny Fanjakan' Andriamanitra" dia tsy mahazatra tao amin' ny literatioran' ny vanimpotoana teo anelanelan' ny nanoratana ny Testamenta roa. Amin' ny andalana izay ahitana azy, tahaka ny ao amin' ny [[Salamon' i Salômôna|Salamon' i Sôlômôna]] sy ny [[Bokin' ny Fahendrena|Fahendren' i Sôlômôna]], dia matetika izy nanondro ny fanapahan' Andriamanitra, fa tsy ny toerana anjakany, ary tsy ny andro vavao na ny lamina [[Mesia|mesianika]] izay haorin' ilay Voahosotry ny Tompo<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 130.</small></ref>. Io andian-teny io dia indraindray manondro "zava-kitranga eskatôlôjika" (miseho amin' ny andro farany), toy izay hita ao amin' ny [[Fiakaran' i Mosesy|''Fiakaran' i Mosesy'']] sy ny [[Faminaniana sibilina|''Faminaniana Sibilîna'']]. Amin' ireo tranga ireo, ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy ny andro vaovao fa fisehoana mihariharin' ny fanapahana izao tontolo izao manotolo mba hametrahana ny lamina eskatôlôjika<ref><small>George Eldon Ladd, ''The Presence of the Future: The Eschatology of Biblical Realism'', Eerdmans (Grand Rapids: 1974), 131.</small></ref>. Miara-dalana amin' ireo koa ny fomba fijery ahitana kokoa fanindrahindran-tanindrazana izay iandrasana ny [[Mesia]] mpanafaka sy mpanorina ny fanjakana vaovaon' i Israely ety an-tany<ref><small>Karl Rahner (2004)'', Encyclopedia of Theology: A Concise Sacramentum Mundi,'' <nowiki>ISBN 0860120066</nowiki>, p. 1351.</small></ref>. === Ny fanjakan' Andriamanitra araka ny jodaisma tamin' ny taonjato voalohany === Amin' ny [[jodaisma]] tamin' ny taonjato voalohany, ny maha mpanjaka dia an' Andriamanitra ka ny andriamanjaka eto an-tany dia solontenany ihany<ref name=":2"><small>Simon Claude Mimouni, ''Le christianisme des origines à Constantin'', éd. PUF/Nouvelle Clio, 2006, p. 106.</small></ref>. Ny fifehezan' ny [[Empira Rômana|Rômana]] an' i [[Palestina (faritra)|Palestina]] dia vokatry ny fahotan' i Israely izay tsy nanatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra raha tokony honanambara taminy ny Fanjakana. Amin' ny [[raby]] jiosy tamin' izany fotoana izany dia misy roa ny fotoan' ny Fanjakana, dia ankehitriny sy hoavy: ny Fanjakana ankehitriny izay anjakan' Andriamanitra araka ny tokony ho izy, sy ny Fanjakana amin' ny [[andro farany]] izay hanafahana an' i Israely amin' ny fangejana azy sy hanjakan' Andriamanitra tokoa, izay hampibaribary ny Fanjakana amin' ny olona rehetra<ref name=":3" />. Amin' izany hevitra manodidina ny Fanjakana izany dia maro ny fihetsiketsehana ara-pivavahana izay mametra-panontaniana ny amin' ny fototry ny fahefana ara-pôlitika maro nisy tamin' izany, dia ny fahefan' ny [[Hasmôneana]] sy ny fahefan' ny [[Herôdiana (fianakavia-mpitondra fanjakana)|Herôdiana]] ary ny fahefan' ny [[Empira Rômana|Rômana]]. Maro ny firehana mahery vaika, izay nanantena fanafahana amin' ny andro farany an' i Israely, sahala amin' ny [[Zelôta]], izay niady mitam-piadiana tamin' ny Rômana sy ny tamin' ny emperora rômana nifandimby izay nanambara ny tenany ho mpanapaka, ka nanatanteraka ady mitam-piadiana izay heveriny fa mifanaraka amin' izay andidian' Andrimanitra mba hametraka ny [[Teôkrasia|fanjakana tokan' Andriamanitra]]. Ny fahefana samihafa rehetra dia tsy nankasitraka an' io resaka Fanjakan' Andriamanitra io sy ny olona na ny vondron' olona mijoro hiaro an' io hevitra io<ref name=":2" />. Ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia mifandray amin' ny sarin' ny [[mpaminany]] amin' ny maha mpitondra tenin' Andriamanitra azy. Tamin' izany vanim-potoana izany, araka ny lazain' i [[Flavio Jôsefa]], dia maro ny olona milaza tena fa itoeran' ny [[Fanomezan' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavan]]' Andriamanitra (karismatika), izay miseho sady miezaka manao izay hanaovan' ny olona azy hoe "mpaminany vaovao", sahala amin' i [[Mosesy]] na Môizy izay filamatry ny "Mpampianatra", na i [[Elia]] izay filamatry ny "Mpitsara". Ny sasany dia nanaraka fotokevitra ara-pôlitika sy ara-pivavahana miaraka ka nanohitra ny mpitondra tamin' izay, toa an' i Teôdasy (na Tadeo)<ref><small>I Teodasy na Tadeo dia mpaminany jiosy izay nanatanteraka fahagagana maro sady nahavory olona maro ka mety nitonon-tena ho [[mesia]]. Noravan'ny prokotatora romana Kospio Fado ny vahoaka nanaraka azy ary notapahina ny lohany ka nentina tany Jerosalema tamin'ny taona 44 na 45 na 46.</small></ref> izay nitarika fikomiana ka nanohitra ny fahefana rômana tamin' ny taona 45 taor. J.K. ary notapahin-doha. Ny hafa koa, toa an' i [[Joany Mpanao Batisa|Joany Batista]] dia anisan' ny mpitoriteny madehandeha izay mitory ny famelana ny [[fahotana]]<ref name=":2" />. == Ny Fanjakan' Andriamanitra araka ny kristianisma == === Ny Fanjakan' Andriamanitra ao amin' ny Testamenta Vaovao === Amin' ny ankamaroan' ny [[Jiosy]] niara-belona tamin' i [[Jesoa]], ny fivian' ny Fanjakan' Andriamanitra dia tokony hifanandrify amin' ny fanafahana ny Jiosy amin' ny fanjakazakan' ny Rômana<ref name=":3"><small>David Flüsser, R. Steven Notley, Gabriel Raphaël Veyret, ''Jésus'', éd. de l’éclat, 2005, pp. 96-103, [https://books.google.be/books?id=OQECGIWI1KMC&pg=PA96 vakio eto] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=https%3A%2F%2Fbooks.google.be%2Fbooks%3Fid%3DOQECGIWI1KMC%26pg%3DPA96 tahiry]].</small></ref>. I [[Joany Mpanao Batisa|Joany Batista]], izay heverin' ny mpikaroka maro fa mpampianatra an' i Jesoa<ref><small>Albert I. Baumgarten, "Jésus de Nazareth", in Jean-Robert Armogathe, Pascal Montaubin et Michel-Yves Perrin (dirs.), ''Histoire générale du christianisme des origines au <abbr>xve</abbr> siècle'', éd. P.U.F., 2010, p. 24.</small></ref> talohan' ny hahaleovany tena<ref><small>Claude Tassin, « Jean-Baptiste et les baptistes », dans ''Aux origines du christianisme'', éd. Gallimard/Le Monde de la Bible, 2000, pp. 181-182.</small></ref>, dia efa nitory ny fahatongavan' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ny vahoaka jiosy ary mety tany ivelany koa angamba. Nanao [[batisa]] (na [[Batisa|batemy]]) ho amin' ny famelana ny [[fahotana]] amin' ny anaran' ny fahantomotry ny fiavian' ilay Fanjakana<ref name=":4"><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 73.</small></ref>. I Jesoa, izay nitory teny atao amin' ny [[jodaisma]] tamin' ny androny, dia nanolo fanompoam-pivavahana ao an-[[Tempolin' i Jerosalema|Tempoly]] amin' ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' ny hafatra nataony ho an' ny olona rehetra. Tsy nofaritany ny amin' io Fanjakana io fa efa fantatry ny Jiosy tamin' izany fotoana izany. Noraisiny ny hevitry ny hoe Fanjakana nampianarin' ny [[raby]], nefa niavaka ny azy noho ny fampianarany ahitana lafiny ara-paminaniana manazava ny fahantomotry ny [[andro farany]], ary koa ny andro vaovaom-panavotana efa nanomboka<ref name=":4" />. Noho izany dia i Jesoa no nanao fanokafana ara-bakiteny<ref name=":5"><small>Paul Mattéi, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin, éd. Armand Colin'', 2008, p. 62.</small></ref> ny Fanjakana izay aseho ho antomotra ([[Filazantsara araka an'i Matio|Matio]] 12. 18), araka ny fampifanarahana ny "efa" sy ny "tsy mbola"<ref name=":5" /> izay hevitra efa nisy tao amin' ny jodaisma<ref><small>Christian Grappe, ''Le Royaume de Dieu : avant, avec et après Jésus'', éd. Labor et Fides/Le Monde de la Bible, 2001, pp. 49-50.</small></ref>. Ny hoe "Fanjakana" dia niteraka fanaovana [[Fanoharana ao amin' ny Evanjely|fanoharana]] ao amin' ny toriteny, ary ny [[Fahagagana nataon' i Jesoa|fahagagana]] izay nataon' i Jesoa dia fijoroana vavolombelona momba ny Fanjakana izay efa eo ( Mat. 12. 18)<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 69.</small></ref>. Azo heverina koa fa nanao ny [[Fijalian' i Jesoa|fahafatesany]] ho fepetra ilaina amin' ny fiavian' ny Fanjakana i Jesoa<ref><small>Paul Mattéï, ''Le christianisme antique de Jésus à Constantin'', éd. Armand Colin, 2008, p. 76.</small></ref>. Araka ny [[Filazantsara sinôptika|evanjely sinôptika]] ([[Filazantsara araka an' i Matio|Matio]], [[Filazantsara araka an' i Marka|Marka]], [[Filazantsara araka an' i Lioka|Lioka]]), ny fanambaràna mialoha ny fahantomotry ny Fanjakan' Andriamanitra (na "Fanjakan' ny Lanitra", araka an' i Matio), dia mitana anjara toerana voalohany ao amin' ny toritenin' i Jesoa. Misy filazana mamintina ao amin' ny Evanjelin' i Marka (Mar. 1.15) manao hoe "''Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara''."<ref name=":1"><small>Nalaina avy ao amin'ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy.</small></ref>. Tsy fanjakan' Andriamanitra maharitra eto amin' izao tontolo izao amin' ny maha zavaboary noforonina azy izany, fa fanjakana izay natombok' i Jesoa sady hahatratra ny fahafenoany amin' ny andro farany, amin' ny maha [[famonjena]] farany indrindra izany. Izany Fanjakan' Andriamanitra izany dia mandalo amin' ny fiovam-pon' ny olona, ka tsy mitovy amin' ny [[mesianisma]] ao amin' ny [[Testamenta Taloha]]. Ny zava-kitranga ho famonjena ny mpanota: izany no vaovao mahafaly na filazantsara. Na dia mitaky fanapahan-kevitra hentitra ny amin' ny fisafidianana an' Andriamanitra ny fidirana ao amin' ilay Fanjakana, tsy vokatry ny ezaka ataon' ny olombelona izany: tsy ny olombelona no hanangana izany. Fanomezana maimaimpoana ataon' Andriamanitra izany, izay angatahina ao amin' ny [[Rainay any an-danitra|vavaka]] ("''ho tonga anie ny Fanjakanao''"), izay raisina amin' ny fanahy malahelo ("''Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan' ny lanitra''." Mat. 5.3)<ref name=":1" />, sahala amin' ny an' ny zaza madinika ("''Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an' ny toa azy ny fanjakan' Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan' Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory''." Lio. 18.16-17)<ref name=":1" />, nefa eo am-piambenana (fanoharana ny amin' ny mpanompo miandry ny tompony, sy ny virjiny dimy hendry sy virjiny dimy adala), satria tsy ampy ny maha isan' ny vahoaka voafidy mba hidirana ao amin' ny Fanjakana: misy ny sivana hanavahana ny [[tsimparifary]] sy ny [[vary]] (Mat. 13. 24-30)<ref><small>24 ''Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny''; 25 ''fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha''. 26 ''Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary.'' 27 ''Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy'': 28 ''Fahavalo no nanao izany. Ary ny mpanompony nanao taminy hoe: Koa tianao va handehananay hanongotra sy hanangona azy?'' 29 ''Fa hoy izy: Tsia, fandrao, raha manongotra ny tsimparifary ianareo, dia hongotanareo miaraka aminy koa ny vary.'' 30 ''Aoka ihany hiara-maniry izy roroa ambara-pihavin'ny fararano; ary amin'ny fararano dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Angony aloha ny tsimparifary, ka ataovy amboarany mba hodorana; fa ny vary dia taomy ho any an-tsompitro.'' (Mat. 13.24-30, ''Ny Baiboly'')</small></ref> ary hisy ankamoaka hotakina (Mat. 25. 1-13)<ref><small>1 ''Ary amin'izany ny fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.'' 2 ''Ary ny dimy tamin'ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.'' 3 ''Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;'' 4 ''ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin'ny fitondrany sy ny fanalany.'' 5 ''Ary raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.'' 6 ''Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.'' 7 ''Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.'' 8 ''Dia hoy ny adala tamin'ny hendry: Mba omeo kely amin'ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.'' 9 ''Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin'ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo''. 10 ''Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin'ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.'' 11 ''Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe Tompoko, tompoko, vohay izahay''. 12 ''Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.'' 13 ''Koa amin'izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora''. (Mat. 23.1-13, ''Ny Baiboly'')</small></ref>. Ny Fanjakan' Andriamanitra dia tsy zavatra ao an-tsaina fa fanapahan-kevitr' Andriamanitra ao amin' ny tantara izay ambaran' i Jesoa mialoha, ary indrindra izay tanterahin' ny tenany. Ny fiekena fa i [[Kristy]] no mpanjakan' ny Fanjakan' Andriamanitra, amin' ny alalan' ny [[Fijalian' i Jesoa|fahafatesany]] sy ny [[Fitsanganan' i Jesoa ho velona|fitsanganany]] tamin' ny maty, dia misy vokany roa fara-fahakeliny ho an' ny Kristiana: voalohany, ny mpino dia hotonga afaka tanteraka amin' ny fanjakana na fahefana ety an-tany, faharoa, tsy tokony hampitovina ny Fiangonana sy ny Fanjakana izay hoavy, na dia ny Fiangonana no mitory azy sy manompo azy ary miombona aminy<ref><small>Hervé Legrand, "Royaume de Dieu", in ''Encyclopaedia universalis'', 2011, DVD.</small></ref>. === Ny Fanjakan' Andriamanitra ao amin' ny boky apôkrifa === Ao amin' ny boky tsy voaray ho anisan' ny [[kanônan' ny Baiboly]] kristiana, dia ny evanjely gnôstika atao hoe [[Filazantsaran' i Tômasy|''Evanjelin' i Tômasy'']], dia taterina ao i Jesoa fa niteny hoe <blockquote>"Raha ireo mitarika anareo no milaza aminareo hoe: "Indro ny Fanjakana dia eny amin' ny lanitra!", dia hialoha anareo ny vorona eny amin' ny habakabaka. Raha miteny aminareo izy ireo hoe: "Ao anaty rano izany", dia hialoha lalana anareo ny trondro. Ny Fanjakana dia ao anatinareo sy ao ivelanareo. Rehefa mahalala ny tenanareo ianareo, dia ho fantatra, ary hahatsapa ho zanaky ny Ray velona ianareo"<ref name=":6"><small>''[https://www.biblicalarchaeology.org/daily/biblical-topics/bible-versions-and-translations/the-gospel-of-thomas-114-sayings-of-jesus/ Gospel of Thomas’s 114 Sayings of Jesus],'' Biblical Archaeological Society. June 4, 2017.</small></ref>. </blockquote>Ity ''Evanjelin' i Tômasy'' ity ihany koa no manao an' i Jesoa ho nanambara ny maha eto sahady ny Fanjakan' Andriamanitra tamin' izy niteny hoe: "''Ny Fanjakan' Andriamanitra dia manenika ny tany, ary ny olona tsy hahita azy''."<ref name=":6" />. === Fivoasan' ny Kristiana ny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" === Ny [[Testamenta Taloha]] dia miresaka ny amin' ny "[[Fitsarana farany|fitsaran' Andriamanitra ny olona rehetra]]" ary ny filazana fa ny olona rehetra dia ho tsaraina dia zava-dehibe amin' ny fampianara kristiana<ref name=":7"><small>Millard J. Erickson (2001)'', Introducing Christian Doctrine'' (2nd Edition), <nowiki>ISBN 0801022509</nowiki>, pp. 391–392.</small></ref>. Ny [[fanekem-pinoana nikeana]] (na fiekem-pinoana niseana) izay naorina tamin' ny andalana maromaro ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], dia milaza fa i Jesoa no hisahana ny anjara asa fitsarana<ref name=":7" /> <ref><small>Wolfhart Pannenberg (2004)'', Systematic Theology'' Vol 2, <nowiki>ISBN 0567084663</nowiki>, pp. 390–391.</small></ref>. Tsy miaraha-manaiky ny manampahaizana ny amin' ny fahazoana ny hevitra teôlôjikan' ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra". Raha misy fivoasana teôlôjika vitsivitsy momba ny Fanjakan' Andriamanitra izay niseho manodidina ny lohahevitra [[Eskatôlôjia|eskatôlôjika]] (ohatra: ny eskatôlôjia apôkaliptika sy ny eskatôlôjia efa tanteraka na ny eskatôlôjia efa niantomboka), dia tsy misy fifanaraha-kevitra ny eo amin' ireo manam-pahaizana<ref><small>Michael James McClymond (2004)'', Familiar Stranger: An Introduction to Jesus of Nazareth,'' <nowiki>ISBN 0802826806</nowiki>, pp. 77–79</small></ref><ref><small>Bruce Chilton and Craig A. Evans (1998)'', Studying the Historical Jesus: Evaluations of the State of Current Research,'' <nowiki>ISBN 9004111425</nowiki>, pp. 255–257.</small></ref>. I R. T. France dia manamarika fa raha ny amin' ny "Fanjakan' Andriamanitra" dia manana heviny hoazy ao amin' ny Kristiana tsotra (na lahîka), saika tsy misy ny fifanarahan-kevitra eo amin' ny samy mpikaroka momba ny hevitr' io andrian-teny io ao amin' ny Testamenta Vaovao<ref name=":8"><small>R.T. France (2003)'', Divine Government: God's Kingship in the Gospel of Mark,'' <nowiki>ISBN 1573832448</nowiki>, pp. 1–3</small></ref>. Ny mpikaroka sasany dia mihevitra fa fomba fiaina kristiana izany, ny sasany indray milaza fa fomba fiasa amin' ny fitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao izany, ny sasany koa dia milaza fa fahitana indray ny [[Fanomezana fiton' ny Fanahy Masina|fanomezam-pahasoavana]] izany, ny hafa koa dia mampifandray izany amin' ny zavatra iainana efa lasa na mbola ho avy fa amin' ny tontolo hoavy<ref name=":8" />. I France dia manamarika fa ny andian-teny hoe "Fanjakan' Andriamanitra" dia matetika adika amin' ny fomba maro mba hifanaraka amin' ny fandaharam-potoana teôlôjikan' ny mpanao heviteny ny amin' izany<ref name=":8" />. Ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]], ny Sezafiandrianan' Andriamanitra dia oharina amin-javatra maro<ref name=":9"><small>Kittel, Gerhard (1966). ''Theological Dictionary of the New Testament'', Volumes 3-4 (1966 ed.). Wm. B. Eerdmans Publishing. <nowiki>ISBN 0-8028-2245-2</nowiki>. pp. 164–166.</small></ref>. Anisan' izany ny [[Lanitra (finoana)|Lanitra]] izay atao hoe Sezafiandrianan' Andriamanitra, ny Sezafiandrianan' i Davida, ny Sezafiandrianan' ny Voninahitra, ny Sezafiandrianan' ny Fahasoavana sy ny maro hafa koa<ref name=":9" />. Ny Testamenta Vaovao dia manohy ny fiheveran' ny [[Jiosy]] (na Jody) ny lanitra ho "sezafiandrianan' Andriamanitra", nefa koa manao ny toerana misy ny sezafiandrianan' Andriamanitra ho "any an-danitra", sady manao ny fipetrahan' i [[Kristy]] ho eo an-tanana ankavanan' Andriamanitra<ref><small>Philip Edgecumbe Hughes ''A Commentary on the Epistle to the Hebrews,'' p. 401, 1988 "The theme of Christ's heavenly session, announced here by the statement he sat down at the right hand of God, .. Hebrews 8:1 "we have such a high priest, one who is seated at the right hand of the throne of the Majesty in heaven"</small></ref>. == Jereo koa == * [[Eskatôlôjia]] * [[Paradisa]] * [[Andro farany]] == Loharano sy fanamarihana ==
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)
Entités de Wikidata utilisées sur cette page
Fanjakan'Andriamanitra
: Liens de site, Description : mg