Adresa
:
[go:
nahoru
,
domu
]
Aller au contenu
Menu principal
Menu principal
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fikarohana
Fandraisana
Wikipedia finday
Pejy rehetra
Pejy vaovao
Takelaka kisendra
Fikambanana
Toerana iraisana
Toerana iombonana
Non-malagasy speakers
Handray anjara
Fampidirana
Fiovana farany
Ny vaovao
Handefa takelaka
Kianjam-pasika
Fanoroana sy fitsipika
Renipejy
Fototra dimy
Fanamboarana takelaka
Tadiavo
Tadiavo
Apparence
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Fitaovana manokana
Fanomezana
Hamorona kaonty
Hiditra
Pages pour les contributeurs déconnectés
en savoir plus
Fandraisan'anjara
Pejin-dresaka
Manova an'i
Henôka
Ajouter des langues
Lahatsoratra
dinika
Malagasy
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Fitaovana
Outils
déplacer vers la barre latérale
masquer
Actions
Hamaky
Ovaina
Hanova ny fango
Hijery ny tantara
Général
Pejy mirohy eto
Novaina
Handefa rakitra
Pejy manokana
Fampahalalana mikasika ny pejy
Obtenir l'URL raccourcie
Télécharger le code QR
Amin'ny tetikasa hafa
Zavatra Wikidata
Apparence
déplacer vers la barre latérale
masquer
Fampitandremana :
Tsy niditra tamin'ny kaontinao ianao. Ho hitan'ny vahoaka ny adiresy IP-nao raha manova inona na inona ianao. Raha
miditra amin'ny kaontinao
ianao dia ho anisan'ny tombontsoa anananao ny fanaovana ny fiovana amin'ny solonanaranao.
Fanamarinana anoherana ny spam.
Aza
fenoina ity!
[[Sary:Figures God took Enoch.jpg|vignette|''Nalain' Andriamanitra i Henôka,'' nataon' i Gerard Hoet, taona 1728.]] I '''Henôka''' na '''Enôka''' dia patriarka ao amin' ny [[Baiboly]], zanak' i Jareda (rain' i Matosalema sady rain' ny raiben' i [[Nôa]]). Izy no patriarka fahafito amin' ny taranak' i [[Seta]]. Araka ny [[Bokin' ny Genesisy]] dia niaina 365 taona i Henôka teto ambonin' ny tany nefa tsy maty fa nakarina velona tany an-danitra sahala amin' i [[Elia]]. Nifandray akaiky amin' Andriamanitra izy satria voalaza ho "niara-nandeha tamin' Andriamanitra". Amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] izy dia atao hoe חֲנוֹךְ / ''ḥănōkh''; fa amin' ny [[Fiteny grika|teny grika]] dia Ἑνώχ / ''Henốkh''. == Ny anaran' i Henôka == Azo soratana hoe ''Henôka'' na ''Enôka'' ny anaran' i Henôka amin' ny fanoratana malagasy. Amin' ny [[fiteny hebreo]] dia atao hoe ''חֲנוֹךְ'' / ''Hanokh'' io anarana io. Manoratra hoe ''Enoch'' ny Baiboly amin' ny [[fiteny latina]] ([[Volgata]]). Ahitana filazana olona mitovy amin' i Henôka atao hoe [[Idrisy]] (amin' ny [[fiteny arabo]]: إدريس / ''Idrîs'') ny literatiora [[silamo]] ka izany no mahatonga ny mpandinika sasany hilaza fa i Idrisy sy i Henôka dia olona iray ihany''.'' == I Henôka eo amin' ny fivavahana jiosy == === Araka ny ''Tanakh'' === Ao amin' ny [[Tanakh]] (Baiboly hebreo) na ny [[Testamenta Taloha]] dia voalaza fa niakatra velona tany an-danitra i Henôka. Voasoratra ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy]] fa niara-nandeha tamin' Andriamanitra i Henôka (Gen. 5.21-24). Ny Genesisy dia milaza an' i Henôka ho ilay fahafito amin' ireo [[Patriarka (ao amin' ny Baiboly)|Patriarka]] fito niaina talohan' ny [[Safodrano]]. Mitantara ny Genesisy fa ireo Patriarka talohan' ny Safodrano ireo dia samy niaina taonjato maro. Ny toko faha-5 ao amin' ny Genesisy dia manolotra tetiaran' olona folo (hatramin' i [[Adama]] ka hatramin' i [[Nôa]]), izay milaza ny taona niterahan' ny tsirairay ny mpandimby azy, sady manome koa ny taona nahafatesan' izy ireo. Maro ny mihevitra fa i Henôka irery ihany no niavaka satria tsy nahita fahafatesana, sahala amin' ny voalaza ao amin' ny [[Epistily ho an' ny Hebreo|Epistilin' ny Hebreo]] (Heb. 11.5). Ankoatr' izany, ao amin' ny Genesisy (Gen. 5.22-29) dia misy filazana fa niaina 365 taona i Henôka. Fohy izany andro niainanay izany raha ampitahaina amin' ny an' ireo Patriarka hafa, izay niaina mihoatra ny 700 avy. Ao amin' ny Genesisy (Gen. 5.24) dia voalaza fa "tsy hita izy, fa nentin' Andriamanitra". === Araka ny boky deoterôkanonika kristiana === Ao amin' ny Baiboly jiosy amin' ny [[fiteny grika]] atao hoe [[Septoaginta]] na [[Septanta]] no ahitana ny boky sokajina hoe [[Boky deoterôkanônika|deoterôkanônika]]. Ny mpandika teny tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K., mba handikany ilay fehezanteny hoe "nentin' Andriamanitra", dia nampiasa ny [[matoanteny]] hoe ''μετατίθημι'' / ''metatithêmi'' izay midika hoe "mamindra avy amin' ny toerana iray ho amin' ny toerana hafa". Ny [[Bokin' ny Ekleziastika|Bokin' i Siràka]] na [[Bokin' ny Ekleziastika|Ekleziastika]] (Sir. 44.16) dia milaza hoe:<blockquote>"i Henoka dia nankasitrahan' Andriamanitra ka nafindra any am-paradisa mba haneho fibebahana ho an' ny firenena". (''[[Baiboly katôlika amin' ny teny malagasy|Ny Baiboly Masina]]''). </blockquote>Na:<blockquote>"Sitraky ny Tompo i Henôka ka nafindrany eo akaikiny; fakan-tahaka izy ho an' ny fibebahan' ireo taranaka mifandimby" (''Ny Baiboly Masina'').</blockquote>Ny [[Fiteny grika|teny grika]] nampiasaina, izay nogasina hoe ''[[paradisa]]'', dia ny hoe ''παράδεισος'' / ''paradeisos'' izay avy amin' ny [[Fiteny persana taloha|teny persiana]] tranainy (''paridayda'') midika hoe "zaridaina" na "saha mifefy", ary nampiasain' ny [[Septoajinta]] hanoritsoritana ny saha [[Edena]]. Taty aoriana anefa dia nanjary nitovy hevitra amin' ny hoe ''[[Lanitra (finoana)|Lanitra]]'' ilay teny, sahala amin' ny hita eto. === Araka ny boky pseodepigrafa === ==== Araka ny boky amin' ny anaran' i Henôka ==== Misy boky telo izay lazaina fa [[Boky amin' ny anaran' i Henôka|nosoratan' i Henôka]], dia ny [[Bokin' i Henôka|Boky voalohan' i Henôka]] sy ny [[Boky faharoan' i Henôka]] ary ny [[Boky fahatelon' i Henôka]]. Ny Boky fahatelon' i Henôka (na Henôka hebreo), izay boky apôkrifa ho an' ny finoana sy ny fiangonana rehetra, dia miresaka ny nampakaran' Andriamanitra an' i Henôka any an-danitra ary ny fanendrena azy ho mpiambina ny haren' ny [[Lanitra (finoana)|lanitra]] rehetra sady ho lehiben' ny [[arikanjely]]. Nanambaràna ny tsiambaratelo sy ny zava-miafina rehetra izy. Ao amin' io boky io dia izy no [[Metatrôna]] (arkanjely), dia ilay anjely mpampita ny Tenin' Andriamanitra. ==== Araka ny ''Bokin' ny Olona Goavambe'' ==== Miresaka ny amin' i Henôka koa ny ''[[Bokin' ny Olona Goavambe]]'', izay boky apôkrifa jiosy, asa soratra tamin' ny taonjato faha-3 tal. J.K. sady mitovitovy amin' ny [[Bokin' i Henôka]]. Hita niaraka amin' ny asasoratra maro hafa tao [[Komràno|Komrano]] izany boky izany. === Araka ny lovatsofina na asasoratra hafa === Ao amin' ny asasoratry ny [[raby]] (asasoratra atao hoe [[Kabala|Kabàla]]) sy ny asasoratry ny [[Mistisisma|mistika]] jiosy dia voalaza fa nampita ny fanambaràn' Andriamanitra ny zava-miafina tamin' i [[Mosesy]] i Henôka. Ny ''Targum Jonathan Genesis'' dia milaza fa nanao asa fanompoana teo anatrehan' Andriamanitra i Henôka ary natsahatra tamin' izany asany izany izy dia nampakarina any amin' ny habakabaka ka ao izy dia atao hoe Metatrôna ilay mpanoratra lehibe. Ao amin' ny fivoasany ny ''Boky dimin' i Mosesy'' dia nanoratra i Menachem fa nalain' ny Tompo i Henôka mba hampitoeriny eo anatrehan' ny Sezafiandrianan' ny Mpanjaka, eo anatrehan' ireo kodiaran' ny kalesiny, mba hanatanteraka ny anjara asa nampanaovin' ilay Avo Indrindra azy. Nentina tany an-danitra izy tanatin' ny kalesy notarihin-tsoavaly afo ary ny fidirany tany dia natrehin' Andriamanitra sy ny zavamananaina masina sy ny [[serafima]] sy ny [[ôfanima]] sy ny [[kerobima]] ary ny kodiaran' ny kalesy. == I Henôka eo amin' ny fivavahana kristiana == Eken' ny Fiangonana kristiana rehetra izay voalaza momba an' i Henôka ao amin' ny [[Bokin' ny Genesisy|Genesisy]] sy ny voalaza mazava ao amin' ny [[Testamenta Vaovao]] momba an' i Henôka ary izay resahina ao amin' ny [[Bokin' ny Ekleziastika]] dia toraka izany koa ho an' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa. === Araka ny Apôstôly sy ny Kristiana tany aloha === ==== I Henôka araka ny Apôstôly ==== Ny [[Testamenta Vaovao]] dia ahitana toerana roa iresahana an' i Henôka'','' dia ny ao amin' ny [[Filazantsara araka an' i Lioka|Evanjelin' i Lioka]] (Lio. 3.37) sy ny ao amin' ny [[Epistily ho an' ny Hebreo|Epistilin' ny Hebreo]] (Heb. 11.5) ary ny ao amin' ny [[Epistily nosoratan' i Joda|Epistilin' i Joda]] (1.14-15). Ny Epistilin' i Joda dia miresaka ny amin' i Henôka izay misy itoviany amin' izay voalaza ao amin' ny [[Bokin' i Henôka]]. ==== I Henôka araka ny Kristiana mpanoratra tany alohabe ==== Milaza ny [[Rain' ny Fiangonana]] toa an' i [[Ôrigenesy avy any Aleksandria|Ôrigenesy]], sy i [[Aogostino avy any Hipôna|Aogostino]] ary ny mpanoratra hafa dia miresaka an' i Henôka sy ny [[Bokin' i Henôka]] fa tsy manampahefana io boky io. Nindrana hevitra avy amin' ny Bokin' i Henôka i [[Jostinôsy Martira|Jostinôsy]] sy i Atenagôrasy sy i [[Ireneo avy any Logdanoma|Ireneo]] sy i [[Klemento avy any Aleksandria|Klemento]] avy any [[Aleksandria]] sy i Laktantio ary ny hafa koa fa niray ara-nofo tamin' ny zanakavavin' ny olombelona ny [[anjely]] ka niteraka taminy ("ny olona goavana tamin' ny andro taloha"). Miresaka matetika an' io boky io amim-piderana i [[Tertoliano]] ary hoatry ny mandresy lahatra ny mpamaky azy amin' ny filazana fa notehirizin' i [[Nôa]] nandritra ny [[Safodrano]] ilay boky. Ny Rain' ny Fiangonana sasany, sahala amin' i [[Jôanesy avy any Damaskôsy|Joany]] avy any [[Damaskôsy]], dia mihevitra an' i Henôka ho iray amin' ny Olon-kendry telo ao amin' ny [[Apôkalipsin' i Joany]] noho ny filazana fa tsy maty izy araka ny Genesisy 5.24. === Araka ny fiangonana kristiana aty aoriana === ==== Ny fiangonana katôlika sy ôrtôdôksa ary prôtestanta ==== Tsy manao an' i Henôka ho [[olo-masina]] ny lovantsofin' ny [[Eglizy katôlika rômanina|Katôlika Rômana]]. Ankalazaina amin' ny 26 Jolay anefa izy ao amin' ny [[Fiangonana Apôstôlika Armeniana]]. Hajaina i Henôka ao amin' ny [[Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana|Fiangonana Ôrtôdôksa Etiôpiana]], ary ny lahatsoratra ao amin' ny [[Bokin' ny Jobily]] momba an' i Henôka sy ao ao amin' ny Boky voalohan' i Henôka dia boky faha-13 sy faha-14 ao amin' ny [[Baiboly ôrtôdôksa|Kanônan' ny Testamenta Taloha teoahedo]]. Tsy manao an' ireo boky ireo ho kanônika ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana (Katôlika sy Ôrtôdôksa grika ary Prôtestanta). ==== Araka ny Olomasin' ny Andro Farany ==== Ho an' ny [[Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany|Olomasin' ny Andro Farany]] dia i Henôka no nanorina ny tanànan' i [[Ziôna]] (na [[Ziôna|Siôna]]), araka ny bokin' izy ireo atao hoe ''[[Bokin' i Mosesy]]'' (jereo [[Bokin' i Môrmôna]]). Tsy iza izany Ziôna izany fa ilay nampakarina tany an-danitra noho ny fahamarinan' ireo izay nonina ao. == Jereo koa == * [[Boky amin' ny anaran' i Henôka]] * [[Mpaminanin' ny kristianisma]] * [[Mpaminanin' ny jodaisma]]
Ambangovangony:
Rehefa mitahiry ny fanovana nataonao ianao dia manaiky ny
Fepe-pampiasana
, ary manaiky ny hamela ny fandraisan'anjaranao araka ny
fahazoan-dalana CC BY-SA 4.0
ary ny
GFDL
. Manaiky ihany koa ianao fa fampatsiahivana ampy ny fametrahana URL mankany amin'ny pejy niaviana.
Aoka ihany
Fanoroana
(sokafy anaty takila hafa)
Entités de Wikidata utilisées sur cette page
Henoka
: Liens de site, Description : mg