[go: nahoru, domu]

Aller au contenu

Fifohazam-panahy lehibe voalohany

Avy amin'i Wikipedia

Ny fifohazam-panahy lehibe voalohany na fifohazam-panahy ara-pilazantsara na fifohazam-panahy evanjelika dia ny fifohazam-panahy kristiana isan-karazany izay niseho tao Britaina Lehibe sy tao amin' ny zanataniny tao Amerika Avaratra tamin' ny taompolo 1730 sy 1740. Atao hoe First Great Awakening (na indraindray Great Awakening fotsiny) na Evangelical Revival izany amin' ny teny anglisy. Nisy fiantraikany tamin' ny prôtestantisma ny hetsiky ny fifohazam-panahy raha niezaka ny hanavao ny fitiavam-bavaka sy ny fanoloran-tena ara-pivavahana ny mpino ao aminy. Nanamarika ny fisandratan' ny evanjelisma anglô-amerikana izay niseho ho fikambanana ara-pivavahana mampiray fireham-piangonana isan-karazany tao amin' ny fiangonana prôtestanta ity fifohazam-panahy lehibe ity. Ny teny hoe Great Awakening no fampiasa matetika ao Etazonia fa ny hoe Evangelical Revival kosa no ampiasaina ao amin' ny Fanjakana Mitambatra. Ny mpitarika malaza ny fifohazam-panahy, izay nanohana izany amin' ny alalan' ny firehana tranainy - toy ny poritanisma sy ny pietisma ary ny presbiterianisma, toa an' i George Whitefield sy i John Wesley ary i Jonathan Edwards - dia nampifandray ny teôlôjian' ny fifohazam-panahy sy ny famonjena izay mihoatra ny efitrefitry ny antokom-piangonana sady nanampy tamin' ny fanefena izay maha ara-pilazantsara iraisana.

Ireo mpifoha ara-panahy ireo dia nanovona, ho fanampin' ny foto-pampianarana laharam-pahamehan' ny prôtestantisma nohavaozina, ny fananterana mafy ny firotsahan' ny fitahiana avy amin' ny Fanahy Masina. Ny toriteny tora-po dia nahatonga ny mpihaino hahatsapa faharesen-dahatra lalina isam-batan' olona ny amin' ny filany ny famonjen' i Jesoa Kristy sy namporisika amin' ny fandinihan-tena sy ny firotsahana an-tsehatra ho ao amin' ny fenitra vaovao momba ny fitondran-tenan' ny tsirairay.

Ny teôlojian' ny fifohazam-panahy (fiekem-pahotana, fiovam-po, fionoana) dia manoritra mazava fa tsy fanekana ara-tsaina ny fanitsiana ny foto-pampianarana kristiana ny fiovam-pinoana, fa tokony ho "fahateraham-baovao" tsapa ao anaty. Nampianatra koa ireo mpifoha ara-panahy ireo fa zavatra andrasana ara-dalàna eo amin' ny fiainana kristiana ny fandraisana ny fahazoana antoka ny famonjena.

Nahatoga ny fampiraisana ny zavatra inoana eo amin' ny antokom-piangonana maro ny fifohazam-panahy ara-pilazantsara, nefa nitarika fizarazaràna koa teo amin' ny fiangonana efa nisy, ka tao ireo nanohana izany fifohazam-panahy izany ary tao ireo tsy nanao izany. Ny mpanohitra dia niampanga ny fifohazam-panahy ho nanome vahana ny fikorontanana sy ny hafanam-po tafahoatra teo amin' ny fiangonana tamin' ny namelany ny mpitory teny mandehandeha tsy hahazo fiofanana sy namporisika ny hafanam-po tafahoatra ara-pivavahana.

Tao Angletera dia tonga fari-piangonana iray lehibe eo anivon' ny Fiangonan' i Angletera ny Anglikana evanjelika, ary nandroso nanomboka tamin' ny asa fanompoana nataon' i Whitefield sy Wesley ny metôdisma. Tao amin' ny zanatany tany Amerika dia nahatonga ny fiangonana kôngregasionalista sy ny fiangonana presbiteriana hisaraka ny fifohazam-panahy, nefa izany fifohazam-panahy izany ihany no nampatanjaka ny fiangonana metôdista sy ny batisma. Tsy dia nisy fiantraikany mivantana amin' ny ankamaroan' ny fiangonana loterana sy koakera (na Fiangonan' ny Sakaiza) ary ny fiangonana tsy prôtestanta izany, nefa taty aoriana dia niteraka fivakisana teo amin' ny Koakera izay mbola maharitra mandraka ankehitriny.

Nikatsaka ny hampiditra ny olona tsirairay ao amin' ny fiovam-po, tsy anavahana lahy na vavy, na volon-koditra, na sata, ny mpitory teny ara-pilazantsara. Tao amin' ny zanatany tany Amerika Avaratra, indrindra tao amin' ny faritra atsimo dia nampitombo isa ny andevo afrikana sy ny olona afaka mainty hoditra, izay niaina manoloana ny kristianisma sy niova finoana ho amin' izany, ny fifohazam-panahy. Nandray hevitra tamin' izany koa ny fananganana ny fikambanana misiônera vaovao toy ny Baptist Missionary Society tamin' ny taona 1792.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]