[go: nahoru, domu]

Aller au contenu

Fiota nokleary

Avy amin'i Wikipedia
Fiota nokleary

Ny fiota nokleary dia fiovan' ny vihin' atôma iray na maromaro mba hanome vihin' atôma manana lanja na fahana hafa. Izany dia miavaka amin' ny fiota simika, izay tsy mahakasika afa-tsy ny elektrôna na ny fatorana misy eo amin' ny samy atôma. Ny fiota simika dia mitahiry ny singa simika rehetra, fa ny fiota nokleary kosa dia manova ny nokleida iray ho iray hafa.

Ny ankamaroan' ny fiota nokleary dia ahitana fifampikasihan' ny vihy na ny singa bitika roa; ny dingana sasany toy ny fitresahana hoazy eo amin' ny vihy mavesatra na ny toetra radiôaktifa (alpha sy beta ary gamma) dia mahakasika ny vihy mitokana. Ny hoe "fiiota nokleary" noho izany dia mety manondro ny fiovan' ny nokleida ateraky ny fifandonana amin' ny singa bitika hafa, na ny fiovan' ny vihy hoazy tsy misy fifandonana.

Misy karazany be dia be ny fiota nokleary, izay mety ho dingana tonga hoazy toy ny fisaratsarahana radiôaktifan' ny radiôma hitan' i Marie Curie, na fiovana nampanaovina, toy ny fikambanana nokleary miseho ao amin' ny kintana, ny fitresahan' ny oraniôma ao amin' ny toby famokarana herinaratra na ny fifandonan' ny vihy ao amin' ny fitaovana mpanafaingam-pandeha ny singa bitika.