[go: nahoru, domu]

Aller au contenu

Viktor Yushchenko

Avy amin'i Wikipedia
Viktor Yushchenko

I Viktor Yushchenko dia mpitondra fanjakana okrainiana, filohan' i Okraina nanomboka tamin' ny 23 Janoary 2005 hatramin' ny 25 Febroary 2010. Amin' ny teny okrainiana dia atao hoe Віктор Ющенко izy. Teraka tamin' ny 23 Febroary 1954 tao Khoruzhivka (ôblastan' i Sumy, tao amin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina) izy.

Praiminisitra izy tamin' ny taona 1999 ka hatramin' ny taona 2001 ary nitarika ny fiaraha-miasan' antoko pôlitika afovoany-ankavanana Наша Україна / Nasha Ukraina (Okrainantsika"). Tamin' ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny taona 2004 dia izy no mpitarika ny Revôlisiôna Volomboasary, izay nitarika ny fanaovana fihodinana faharoa, izay nandreseny an' i Viktor Yanukovych tamin' ny 52 % amin' ny vato.

Nanomboka tamin' ity fampielezan-kevitra ity, ny tarehiny dia toa simba noho ny karazana aretina klôrakne tafahoatra vokatry ny fanapoizinana; nisy ny resabe momba ny anton' io fanapoizinana io, nisy ny hevitra maron' ny manam-pahaizana manohana ny teôria momba ny fanandramana fanapoizinana amin' ny alalan' ny diôksinina.

Nandritra ny fitondrany, i Viktor Yushchenko dia nitazona fifandrafiana mafy tamin' ny praiminisitra Yulia Tymoshenko sy i Viktor Yanukovych. Tsy nahavita namaha olana ara-toekarena sy ara-tsôsialy izy, izay niteraka fahadisoam-panantenana mahery vaika eo amin' ny vahoaka okrainiana. Kandidà ho amin' ny fifidianana indray izy tamin' ny taona 2010, nefa resy tamin' ny fihodinana voalohany tamin' ny fifidianana filoham-pirenena, ka tonga tamin' ny laharana fahadimy tamin' ny vato 5,5%.

Taorian' ny nialany teo amin' ny toeran' ny filoham-pirenena dia nampihatra ny heriny voafetra teo amin' ny sehatra pôlitika tao amin' ilay firenena izy. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny taona 2012 dia nahazo 1,1 % amin' ny vato ny antoko Nasha Ukraina – izay notarihiny.