[go: nahoru, domu]

Aller au contenu

Angovo nokleary

Avy amin'i Wikipedia
Ny tobim-pamokarana angovo nokleary Leibstadt any Soisa

Ny angovo nokleary dia angovo mifandray amin' ny hery mampitambatra ny nokleôna (prôtôna sy neotrôna), hery nokleary matanjaka ao anatin' ny vihin' ny atôma. Ny fiovan' ny vihy mamoaka io angovo io dia ny fiota nokleary. Mifehy ny fiota eo amin' ny singa bitika sy ny neotrinô ny hery nokleary malemy.

Mitranga ho azy amin' ny alalan' ny fiota nokleary mampikambana ao anatin' ny kintana ny famotsorana ny angovo nokleary — ohatra ny Masoandro — sy amin' ny alalan' ny fitresahana nokleary ao amin' ny toetra radiôaktifa voajanahary, izay loharanon' angovo voalohany amin' ny fisehon-javatra mahakasika ny volkano eto amin' ny Tany. Ny angovo mivoaka mandritra ny fiota nokleary mampitresaka na ny fiota nokleary mampikambana dia trandrahana ho amin' ny tanjona sivily sy miaramila, ao anatin' ny fitaovam-fiotana nokleary na mandritra ny fipoahana atômika.